Fifamoivoizana

Mpitondra moto Tsy maintsy manana « permis de conduire »


  • Alatsinainy 29 Aogositra 2022

Betsaka amin’ireo mpitondra moto eto amintsika no tsy manana taratasy fahazoan-dalana hamily moto na fiarakodia.

Izy ireny indrindra anefa amin’ny ankapobeny no tena manao lozam-pifamoivoizana noho izy tsy nandalo sekoly fampianarana hifehezany izany asa familiana izany na nianatranatra teny fotsiny dia nahay. Voatery nandray fanapahan-kevitra araka izany ny polisim-pirenena ka fantatra fa tsy maintsy manana permis avokoa ireny mpitondra moto ireny manomboka izao hisorohana ny loza mety hitranga. Tsy maintsy asiana "plaque d'immatriculation" ihany koa ny moto rehetra manomboka izao izany hoe : hitovy amin’ny fiara mihitsy hahafahana miditra ao anatin’ny fanarahan-dalana. Na izany aza mbola tsy hanasazy aloha ny polisim-pirenena amin’izao fiandohany izao. Hiezaka hanao fanentanana izy ireo ary hanampy sy hanoro izay vao hampihatra ny tena lalana amin’izay.
Nangonin’i Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT