Mpitondra moto maty teo

Ambodifasika Itaosy Lalana misy lolo ka mila hampanenoana anjomara ?


  • Alatsinainy 06 Mey 2024

Mahatratra dimy isan-kerinandro raha kely ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny fitaingenana

kodiaran-droa eto Antananarivo sy ny manodidina ka ny ankamaroan’ireo dia saika hamoizana aina avokoa. Vao tamin’ny faran’ny herinandro teo ohatra dia lehilahy iray nitaingina moto niazo iny Faritra Andohatanjona Itaosy, distrikan’Atsimondrano iny no fantatra fa namoy ny ainy. Raha ny loharanom-baovao azo dia misy toerana tokony hampanenoana anjomara eny amin’iny faritra iny amin’ny alina rehefa mandalo ny mpamily. Tsy nanao izany anefa ity tovolahy mpitondra moto ity raha ny filazan’ireo nanatri-maso fa nandeha jonjorombina fotsiny ihany hany ka tra-doza. Toy ny nivilivily tsy fantatra hoe : naninona ilay moto nentiny ka nianjera vokatr’izany izy. Vato salantsalany tamin’ny sisin-dalana no voalaza fa nitaty ny lohany, antony nahafaty azy. Tokony ho tamin’ny 08 ora alina tany ho any no nitrangan’izany hoy hatrany ny loharanom-baovao azo. Nomarihin’ireo mponina moa ho an’ireo efa tra-doza teny amin’iny faritra iny fa velona dia toa fa mizara telo io lalana io amin’ny alina rehefa tsy mampaneno kilakisaonina ilay mpamily.
Pati
Legende : Mamono olona tahaka izao hatrany ny kodiaran-droa amin’ny ankapobeny !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT