Fifamoivoizana

Mpitondra fanjakana Tsapa ve fa tsy ilaina maika ny teleferika ?


  • Alatsinainy 28 Febroary 2022

Tany amin’iny tapany Atsinanan’ny Nosy iny ny Filoha Ankehitriny Andry Rajoelina ny faran’ny herinandro teo. Tany Tanambao Manampotsy, tany Anosibe An’ala,…

 Nampahafantarin’ny olona ny fijaliany amin’ny resaka làlana satria ny tany Tanambao Manampotsy làlana 45km, ohatra, no atao adin’ny valo. Ny RN23A miala eo Moramanga hatrany Anosibe An’ala potika tanteraka. Tra-pahasahiranana ny mponina eto Anosibe An’Ala sy ireo kaomina manodidina azy noho ny fahasimban’ny làlana. Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza ANA dia tapaka tanteraka, ka tapaka ihany koa ny fivezivezen’ny olona sy ny entana ary mitarika fidanganan’ny vidimpiainana izany. 3 andro no anaovan’ny kamiao ity lalana mirefy 71km ity izay lalan-tany lasa lalam-potaka. « Koa satria mampikaikaika ny mponina izy ity dia hataon’ny Fitondram-panjakana ho isan’ny laharampahamehana ny hanamboarana azy haingana amin’ny ampahan’ny hetra azo avy amin’ny Orinasa Ambatovy. Tsy mendrika ny hiaina ao anaty fotaka intsony tokoa mantsy ny Mponina », hoy i Andry Rajoelina. Mba efa tsapan-dRajoelina amin’izay ve tsy laharam-pahamehana kokoa ny teleferika eo anatrehan’ny zavatra mahazo ny olona manena ny Nosy sy ny distrika? Ampahany ihany io hitany tany Tanambao Manampotsy sy Anosibe An’ala io, ary mampahatsiahy ny tenin’ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa izay nampiaka-peo azy hoe: satria ve tsy vita ny làlana ary dia tsy hanao fampandrosoana. “Isika ve nahazo vola amina fiaraha-miasa amina firenena roa , vola trosaina dia maninona no tazonina amina toerana iray, kanefa ilay filàn’ny firenena any amin’ny faritra mbola goavana sy mivelatra be. 151 tapitrisa euros tsinjaraina amin’ny distrika 119 hanokafana làlana,… Mandra-pahoviana vao tena ho tongan’ny fiara any amin’izany Midongy Atsimo, Vondrozo, Nosy Varika, Tanambao Manampotsy, Anosibe An’ala, Marolambo, Kandreho, Tsaratanana,….”, hoy ny Depiote Brunelle Razafitsiandraofa, izay naneho fa Madagasikara aza tsy mifandray akory dia inona no hihazakazahana amina tefeleferika, ka tokony ho hay ny mandahatra ny laharam-pahamehana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT