Fifamoivoizana

Mpitatitra zotra nasionaly Hanao hetsika goavana anio


  • Alarobia 20 Mey 2020

Hitokona avokoa ireo mpitatitra amin’ny zotra nasionaly miazo an’i Toamasina, sy Mahajanga ary Antsiranana anio Alarobia 20 May.

 

 

 

 Raha araka ny fantatra mantsy dia tokony efa nahatafiditra vola 1 tapitrisa Ar isaky ny fiara izy ireo tao anatin’izay roa volana nijanonana izany saingy tsy nisy izany na dia Ariary aza. Teo an-daniny anefa tsy mba nahazo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ny koperativa izy ireo, fa nihainohaino fotsiny ka feno ny kapoakany. Hamboraka ny alahelony amin’ny Fitondram-panjakana izy ireo araka izany noho ny fahoriana mianjady aminy. Lasa bokan-trosa ny tokantrano tsirairay avy hoy ny raim-pianakaviana mpamily iray. Na ny vary hohanina aza mila tsy ho hita intsony ankoatra ny olana ao an-tokantrano aterak’izany. Mety any amin’ny telo volana ho avy moa vao mety ho voahilika ny trosa raha miasa soa aman-tsara izy ireo ankoatra ny fampandehanana ny fiainana amin’ny andavanandro. Eny Andohatapenaka ihany moa no fantatra fa hanao hetsika izy ireo.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT