Fifamoivoizana

Mpitatitra sy mpiaro ny zon’ny mpanjifa Nitambatra ary handray fanapahan-kevitra


  • Zoma 24 Aogositra 2018

Omaly alakamisy no nanao fanambarana niraisana tetsy Ambodivona ireo fikambanan’ny koperativan’ny fitaterana mivondrona ao amin’ny zotra an-drenivohitra sy ny manodidina (UCTU, UCTS) sy ny mpampanofa fiara ary ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa MCI sy RNDC.

 

 Nisy ny ezaka rehetra natao, tahaka ny fihaonana tamin’ny tompon’andraikitra isan’ambaratongany hatrany amin’ny minisitra nanomezana tolo-kevitra. Tsy nisy anefa hatreto ny vokatra sy ny vahaolana. Nilaza hatrany ny fanjakana fa efa vidiny marina io (verité de prix) ka hampihatra ny tokony ho saran’ny azy ihany koa ny mpitatitra. Matoa atao ny fitakiana dia azo atao tsara ny mampihena io vidin-tsolika io, hoy ireo mpiaro ny zon’ny mpanjifa. Ankoatra izay dia nangataka koa ireto farany ny tokony hampiakarana ny karama raisina ambany indrindra (SMIG) ho 500 000 Ar ho an’ny mpiasam-panjakana ary 300 000 Ar ho an’ny tsy miankina mba hanarahana izao fidangan’ny vidin-tsolika izao. Tetsy an-daniny, nampiaka-peo ny UCTU sy ny  UCTS fa miteraka safotofoto sy mampiakatra ny kolikoly ary mampirongatra ny loza any amin’ny faritra ny  naoty nataon’ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT). Voalaza ao mantsy ny fepetra tsy maintsy arahin’ny zotra an-drenivohitra sy ny manodidina rehefa mandeha mihoatra ny 100Km. Ao, ohatra, ny tsy maintsy anaovana contre visite raha fiara mihoatra ny 20 taona kanefa ny any amin’ny faritany tsy misy an’izany. Ekena ny fiarovana ny ain’ny olona fa mila ampiharina hatrany amin’ny faritany, hoy izy ireo. Amin’izao fotoana fialantsasatra izao dia tsy araky  ny amin’ny faritany intsony ny fitaterana fa tsy maintsy misy ny fiara avy eto Antananarivo hofaina mankany kanefa misy ny sakantsankana amin’io naoty nivoaka io. Handray fanapahan-kevitra izy ireo ary hanatsahatra ny asany indray raha tsy hisy ny vahaolana raisin’ny tompon’andraikitra.

Tsirinasolo

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT