Fifamoivoizana

Mpitatitra RN1-RN 4 ary RN 6 Tsy mbola nisy nanaiky nifindra teny Andohatapenaka omaly


  • Alakamisy 15 Febroary 2018

Omaly alarobia 14 febroary no fotoana notondroin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety (ATT) tsy maintsy hifindran’ireo mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena voalohany sy fahefatra ary fahenina eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao Andohatapenaka.

 
Tsy mbola nanaiky ny nifindra teny anefa ireo koperativa mivondrona ao anatin’ny ASTRAM.  Ekena, hoy Rakotondrafara Fredinard filohan’izy ireo fa efa navoakan’ny ATT ny bokin’andraikitra hifehy ity tobim-piantsonana vaovao ity. Na izany aza, misy hatrany amin’ny 20 % ireo fepetra notakianay tsy mbola tanteraka. Notsindriany manokana ny tsy fahampian’ny fitaovana hampiasaina eny an-toerana toy ny solosaina…Eo ihany ny tsy fahalavorarian’ny fitsinjarana ny toerana. Ho an’ny parking dia nambarany fa tsy mbola fantatra satria na dia  ny  “marquage au sol” aza tsy misy. Tsy voafaritra ihany koa ny toerana tokony hiaingan’ny taxi-brousse sy hijanonany rehefa tonga izy ireny…Miandry ny fahafenoan’ireo fepetra ireo ireo koperativa mivondrona ao anatin’ny ASTRAM vao hifindra tanteraka mba tsy hisian’ny gaboraraka intsony.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT