Fifamoivoizana

Mpitatitra RN 1- RN 4- RN -6 Afaka telo herinandro vao hifindra eny Andohatapenaka


  • Zoma 16 Febroary 2018

Nanaiky ny fangatahan’ireo koperativa mivondrona ao anatin’ny ASTRAM ihany ny minisiteran’ny fitaterana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety fa tsy tokony mbola hifindra eny Andohatapenaka iretsy voalohany raha tsy tomombana tsara ny zava-drehetra ilainy.

 


 

 Nisy  ny fidinana ifotony niarahan’ny rehetra teny an-toerana ny alarobia lasa teo nentina nijereny ifotony sy nandinihina izany. Tapaka nandritra ny fihaonana fa afaka telo herinandro eo ho eo vao hifindra eny Andohatopenaka ireo koperativa miazo ny lalam-pirenena voalohany sy faha-efatra ary faha-enina. Am-periny tanteraka amin’ny fikarakarana izany fifindrana izany ny rehetra ankehitriny raha fantatra kosa  fa ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT no hitantana vonjy maika ny toerana. Tsiahivina moa fa ny hahafahan’ny mpandeha miaina amim-pilaminana lavitry ny tsy fandriampahalemana, ny hisian’ny fahadiovana manara-penitra, ny hanafoanana tanteraka ny mpanera… no anisan’ny tena tanjon’ny ASTRAM amin’izao fanemorana ny fotoana hifindran’izy ireo izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT