“Tena voafitaka tanteraka izahay”, hoy ireo kaoperativa nalana tetsy Ambodivona.
Miisa 25 eo ireo kaoperativa nalana teny an-toerana tapa-bolana lasa izay. Nambaran’izy ireo, fa ny kaoperativa RN6 sy RN4 no nezahina nalana teny an-toerana voalohany, araka ny fifanarahana am-bava natao. Zavatra nifanarahana tamin’ny filohan’ny kaoperativa CTPRV, dia miara-mifindra avokoa ny RN4, RN6 ary ny RN2. Ny RN2 tsy niala fa narirarira teny. Ny kaoperativa Cotisse sy Kofimanga izay manao Mahajanga no niala voalohany. Nanaiky ny fandaminana ny kaoperativa rehetra manao Toamasina, fa rehefa nalana izy ireo dia tokony ho niala avokoa ny rehetra fa tsy hoe mijanona eny izay manana kaoperativa ara-dalàna. Nanaiky niala tsy fidiny izahay, hoy ireo kaoperativa. Nambaran’izy ireo, fa lasa lavitra ho an’ny mpandeha ho any Toamasina ny gara eny Andohatapenaka amin’izao, satria lasa avo roa heny ny saran-dalana tonga eny. Hatramin’izao anefa ny fandaminana dia mbola mikorontana tanteraka, hoy hatrany izy ireo. Marihana fa na dia nifindra aza ireto kaoperativa ireto, dia tsy miova ny saran-dalana, izay mijanona ho 20.000 ariary ho an’i Toamasina ary 30.000 ho an’i Mahajanga. Ny Cotisse sy ny Kofimanga ary ny Vatsi izay mijanona etsy Ambodivona kosa dia nampiakatra ny saran-dalany, ka 25.000 Toamasina ary 40.000 ariary Mahajanga. Ho an’ireo kaoperativa sasany kosa dia mety amin’izy ireo ny nifindra teny amin’ny Makis, satria, voaaro ny mpandeha, saingy, ny eo amin’ny fandaminana dia mbola misavoritaka tanteraka, hoy izy ireo.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.