Fifamoivoizana

Mpitatitra Misy miziriziry hampiakatra saran-dalana ihany


  • Alarobia 11 Mey 2022

Tongotra mby an-dakana ho an’ireo mpitatitra eto an-drenivohitra sy ny manodidina ny fampiakarana saran-dalana.

Tsy hihemotra amin’ny fanapahan-kevitra noraisiny intsony izy ireo na tsy hiakatra aza ny vidin-tsolika raha araka ny fanadihadiana natao. Efa ela mantsy izy ireo no nizaka ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fikarakarana fiarakodia raha araka ny fanazavan’ny tompona taxibe iray. Toraka izany koa hoy izy ny haratsian-dalana izay tsy ahitana fanampiana na fanohanana avy amin’ny Fitondram-panjakana mihitsy. Manampy trotraka izany hoy hatrany ity tompona taxibe iray ity ny hataon’ny polisy izay maka vola avy hatrany raha vantany vao mandingana kely. Na arovava orona ho an’ny resevera adina aza mantsy hoy hatrany ity tompona taxibe iray ity dia efa handoavana 10.000 Ar raha kely. Tokony mba miara-mizaka aminay ny mpandeha hoy hatrany ity mpamily ity fa tsy avela aminay irery raha toraka izany koa ny fanjakana. Eo amin’ny 700 ka hatramin’ny 1000 Ar moa no fampiakarana kaiasin’izy ireo hatao izay mbola hakany fankatoavana eny anivon’ny Ministeran’ny fitaterana. Misy kosa anefa ireo mahita izany ho midangana loatra ka tsy mitovy ny hevitra. Tsiahivina moa fa manomboka amin’ny 50.000 ka hatramin’ny 70.000 Ar ny vola henjehin’ny taxieb iray amin’izao eto amintsika ankoatra ny vola entin’ny mpamily sy ny resevera mody any amin’ny vady aman-janany.
(Sary fanehoana)
Pati
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT