Fifamoivoizana

Mpitatitra miazo ny RN 4 sy RN 6 Hifindra etsy Andohatapenaka rahampitso


  • Alarobia 28 Febroary 2018

Hifindra etsy Andohatapenaka manomboka rahampitso Alakamisy fiandohan’ny volana Martsa ireo mpitatitra miazo ny lalam-pirenena fahaefatra sy fahaenina miantsona etsy Ambodivoina.

 


 

 Raha araka ny fanazavan’ny filohan’ny ASTRAM Rakotondrafara Fredinard dia efa mipetrapetraka avokoa ny fandaminana rehetra fa miandry ny datin’ny rahampitso sisa  izy ireo. Hisy sahady manomboka androany araka izany ny fampahafantarana ny mpandeha rehetra mikasika ny toerana tokony hividianany tapakila sy ny toerana hakany ny fiara mba tsy handany fotoana azy ireo. Mikasika ireo mpitatitra miazo ny lalam-pirenena voalohany toa an’i Manalalondo sy Arivonimamo manokana izay tsy nanaiky ny famindran-toerana azy ireo fa nanao fitokonana ny faran’ny herinandro teo dia fantatra fa efa nifindra 100 % eny Andohatapenaka ihany koa izy ireo raha teny Anosizato teo aloha. Na izany aza  dia nanambara ny solontenan’izy ireo fa ho avy ny fotoana tsy maintsy hiverenany eny Anosizato, toerana efa nahazatra azy ireo hatramin’izay no sady nandaniana volabe ny nanamboatra azy.

Patty

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT