Fifamoivoizana

Mpitatitra manao be loha Ho hentitra ny fanarahamaso ny “manifold”


  • Zoma 27 Novambra 2020

Ho hentitra ny fanjakana amin` ireo mbola mandika lalàna amin` ny fifamoivoizana

 

 

sy ny fampiasana ny lalana. Tsy vitsy ny mitaraina, araka ny hita eny rehetra eny na any amin` ny tambajotra sosialy noho ny hafitsok` ireo mpitatitra. Misy no tsy miraharaha ny lalàna velona sy ny bokin` andraikitra ary manao tsinontsinona ny mpandeha ka manao izay tiany atao. Mampatsiahy ny mpitatitra eto Antananarivo Ministera ny Fitaterana, Fizahantany ary Famantarana ny Toetr’andro sy ny ATT amin` ny tsy maintsy hametrahana manifold mialohan` ny hiaingàna amina tobim-piantsoanana. Ho hentitra ny fampiharana ny lalàna sy ny fepetra ho raisina amin` ny fampanaran-dalàna. Mamerimberenana hatrany sy manentana an` ireo mpitatitra ny tompon`andraikitra fa zava-dehibe ny asa fitaterana sahanin’ izy ireo koa dia hilaina ny fitandremana sy fahalinana eny an-dalana rehefa mitondra mpandeha satria dia ain’olona no entina. Noho izany, ilaina hatrany ny manara-dalàna .

Marigny A

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT