Fifamoivoizana

Mpitatitra - fasan’ny karana “Tena tsy mety aminay ny eny Ambohimanambola”


  • Alarobia 01 Septambra 2021

Mangataka ny hananganana tobim-piantsonana vaovao ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena mianatsimo raha araka ny nambaran’ny lehiben'ny tobim-piantsonana eny amin'ny Fasan'ny Karana,

 Randrianarisoa Liva Olivier. Tsy hifindra eny amin'ny toby vaovao Ambohimanambola izy ireo hoy ihany izy. Mbola olana na ho an'ny mpanjifa na ho an'ireo mpitatitra mampiasa ny lalam-pirenena faha-7 mantsy ny halaviran-toerana raha oharina amin'ny afovoan'ny tanana toy ny etsy amin’ny Fasan’ny Karana raha toa ka hafindra eny Ambohimanambola ny toby fiantsonan'ny fiara mpitatitra manao ny zotra nasionaly mianatsimo.Manoloana io fangatahana io dia nanambara kosa ny minisitra tompon’andraikitra, Tinoka Roberto, fa ''azo jerena tsara ny momba izany, ary vonona izy ny hiara-hidina ifotony hijery ny sakana, miaraka amin’ny vahaolana sy ny marimaritra iraisana.
Nangonin’i Pati

  1.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT