Fifamoivoizana

Mpitatitra etsy amin’ny Fasan’ny Karana Efa nisy ny fifampiraharahana tamin’ny minisitera


  • Zoma 27 Aprily 2018

Somary nangingina tato ho ato ilay fitokonan’ny mpitatitra mihazo ny lalam-pirenena fahafito entin’izy ireo hanehoana ny tsy fahazoany hifindra eny Ambohimanambola.

 Efa noraisin’ny minisiteran’ny fitaterana sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety mantsy raha ny loharanom-baovao azo ireo mpitarika ny fitokanana izay nomarihin’ity loharanom-baovao ity fa tsy mpamily na tompona fiara fa ireo mpanera tsy ara-dalàna, izay omen’ny koperativa amboniny ( pourcentage) isaky ny fiara mandeha. Dimy isaky ny koperativa izy ireo no solontena tamin’izany izay nambaran’ny lehibena koperativa iray fa ireo tompona fiara sy lehibena koperativa indray no lasa very zo. Any amin’izy ireo ny fanalahidy amin’izao izay nomarihin’ity lehibena koperativa iray ity hatrany fa lasa manankarena mihitsy raha oharina amin’ny tompona fiara noho ireo volabe azony. Ankoatra ny fahazoan’izy ireo io taha avy amin’ny koperativa hiasany io mantsy dia mbola izy ireo ihany koa no manao izay saran-dalana mahamety azy, izany hoe raha 10.000 Ar no ara-dalàna dia hataony 15.000 Ar  izay mbola vola hafa miditra ho azy ireo ihany koa. Tsy fantatra moa hatreto izay vokatr’io fihaonana teo amin’ny solontenan’ny koperativa sy ny minisitera io ary ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT