Tsy misy ataon’ireo mpitatitra afa tsy ny mampijaly ireo mpandeha aloha hatreto,
raha ny zava-misy hitan’ny maso sy iainana andavanandro ary ny mahagaga dia ireo nahabe tsikera ny besinimaro noho ny fahamehany hampiakatra saran-dalana kanefa nampiaina kalitao tsy nahafa-po hatrany no tena lohalaharana amin’ny fanohintohinana ny fifamoivoizana amin’ny lafiny rehetra eto an-drenivohitra. Ilay fiaraha-miasa eo amin’ny fiadidiana ny kaominin’Antananarivo Renivohitra tokoa ve no mametraka ny olana sa ilay fidirana ho an’ny amin’ny tontolon’ny ara-dalàna sy ny manara-penitra mihitsy no mampalaina ? Inona moa no fahotana amin’ny fifanaovan’ny avy eo anivon’ny CUA sy ny OMAVET fifanarahana na dia eo ambany fifehezan’itsy voalohany ity farany raha toa ka misy tanjona tiana hotratrarina ao ? Tsy toy ny mpiasa manao fifanarahana amin’ny mpampiasa azy ihany ve izany ? Nanapa-kevitra ny hivondrona moa omaly ny avy eo anivon’ny fikambanan’ireo mpitondra fiarakaretsaka (FTAR) sy ireo mpitatitra eto an-drenivohitra (UCTU) ary ny fikambanan’ireo mpitatitra eto Madagasika na ny (ASTRAM), raha ny nambaran’izy ireo tetsy Ambodivona, fa hitokona izy ireo ny talata izao raha tsy miverina amin’ny fanapahan-keviny ny CUA. Etsy an-kilany anefa dia odiana fanina hatrany ny fampidinana ny saran-dalana na dia efa in-telo nidina aza ny vidin-tsolika.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.