Mpitatitra eto an-drenivohitra

Betsaka ireo mampikolay ny mpanjifa


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Miha ratsy hatrany ny toe-draharaha ara-piarahamonina malagasy.

Ny ety andrenivohitra, toy ny eto Antananarivo moa no tena ahitana taratra izany, raha tsy hilaza afa-tsy ny afitsok’ireto mpitatitra eto andrenivohitra ireto. Tranga vao omaly hariva, raha ny fitantaran’ny tovovavy iray lasibatry ny zotra 150 mampitohy an’Anosy sy Namontana. Niandry taksibe laharana 150 teo amin'ny Solimotel andeha ho any Namontana izahay dia nanontanianay ilay «receveur» na mpanampy mpamily hoe mankany Namontana ve? Namaly ilay io hoe mankany izahay. Niakatra izaho sy ilay namako. Gaga anefa ny mpandeha rehetra fa niodina teo amin'ny Pharmacie Volahanta ihany ry zareo. Nanontaniana ilay mpanampy mpamily hoe angaha tsy makany Namontana indray nefa ianareo efa niteny hoe mankany dia tsy namaly ilay mpanampy mpamily fa nihenahena ohatran’ny omby sady naidiny ihany ny mpandeha. Nanontaniana toy izany koa ny mpamily dia tsy namaly. Nitaky ny hamerena ny saran-dalana ny mpandeha fa tsy nohenoin'izy ireo. Nidina daholo moa ireo mpandeha fa tsy nisy nanohitra. Ity taksibe ity nefa dia tena nandray olona foana teny amin'ny «arrêt» na fihantsonam-piara. Fanampin’izay dia mbola amin’ilay antsoin’ny olona hoe vodihazo be. Nilaza tamin'ireo mpandeha anefa izy ireo fa mankany Namontana ary 600 Ariary ny saran-dalana nalain'izy ireo tamin'ny mpandeha. Ny zavatra tsikaritro dia nanome «signal» na famantarana an'ilay mpanampy mpamily ilay mpamily raha vantany vao niodina ilay taksibe. Tsy vitan’ny hoe miodina an-dalana fotsiny izany teto ireo mpitatitra fa efa sahy mamitaka mpanjifa mihitsy, hoy hatrany ny fampitam-baovaon’ity nahatsiaro ho lasibatry ny nafitsoky ny tokony ho fitateram-bahoaka ity.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT