Fifamoivoizana

Mpitatitra eny amin’ny fasan’ny karana Manizingizina fa hijanona eny an-toerana


  • Talata 24 Jolay 2018

Mbola miziriziry amin’ny fanapahan-keviny hatreto ireo mpitatitra mianatsimo etsy amin’ny Fasan’ny Karana fa tsy hiala amin’ny toerany na dia voalaza aza fa an’olon-tsotra fa tsy an’ny fanjakana ity tany hiantsonan’izy ireo ity.

Nambaran’ny solontenan’ny mpitatitra fa karana no ambadik’io fakana ny tany izay hiantsonan’izy ireo ankehitriny io. Mila miaina malalaka amin’ny taniny anefa ny Malagasy, hoy izy ireo fa tsy ny vahiny foana no avela hanjaka  noho izany tsy hiala izy ireo. Ankoatra izay, efa nisy tompon’andraiki-panjakana  nampanantena ny amin’ny tsy hialany eny amin’ity toerana ity izy ireo. Mbola mijanona ho resaka am-bava fotsiny ihany anefa izany hoy hatrany ireo solontenan’ny mpitatitra noho izany takian’izy ireo maika ny hamoahan’ny fitondram-panjakana naoty mazava. Vonona ireo mpitatitra eny an-toerana hanajary sy hanadio ny toerana etsy amin’ny  Fasan’ny Karana izay nomarihin’izy ireo fa tsy hitsitsiany vola tokoa, raha tanteraka soa aman-tsara. Marihina moa fa anisan’ny mangataka ny hamoahana ity naoty ity ihany koa ireo mpivarotra eny an-toerana.

 

 

Pati

 


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT