Fifamoivoizana

Mpitatitra ao Fianarantsoa Manome 72 ora ny fanjakana hikaroham-bahaolana


  • Alarobia 13 Mey 2020

Efa ho roa volana izao no tsy afaka niasa intsony ireo mpitatitra amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly ao Fianarantsoa.

Saika mamelom-bady aman-janaka avokoa anefa izy ireo saingy na ny anjara fanampiana tokony ho any am-pelatananany aza dia mbola misy tsy tonga ihany koa. Mitaky ny hitadiavan’ny Fitondram-panjakana vahaolana ao anatin’ny 72 ora araka izany izy ireo. Teboka efatra lehibe no hangatahan’izy ireo amin’izany toy ny fahazoan-dalana hiasa araka ny fandaminana sy ny fepetra ara-pahasalamana rehetra. Eo ihany koa ny fitadiavana vahaolana fohy ezaka toy fanampiana ny mpitatitra amin’ny lafiny ara-bola. Fahatelo ny fitadiavana vahaolana maharitra ary lavitr’ezaka noho ny fihibohana. Fahaefatra sady farany izay tsy kely akory dia ny fandaminana ny rafitra misy rehetra toy ny koperativa, ny tobim-piantsonana ary ny mpandraharaha). Vonona moa izy ireo ny hifampiresaka mivantana amin’ny mpitondra sy ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny hahafahana mamaha izao olana goavana izao.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT