Fifamoivoizana

Mpitatitra ao amin’ny UCTU Miandry ny valin-tenin’ny fanjakana


  • Alatsinainy 02 Jolay 2018

Anisan’ny vaovao nahoraka be teto an-drenivohitra, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny fisian’ny fitokonana hataon’ny fivondronamben’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra (UCTU), mandritra ny 72 ora.

Nitondra fanazavana mikasika izany ny filohany, Lova Randrianatoandro, omaly, ka nambarany fa tsy mitombina velively io feo mandeha io, satria rahampitso talata izy ireo vao hanao fihaonambe miaraka amin’ny mpitatitra rehetra tsy an-kanavaka, handinihana manokana ny fiakaran’ny vidin-tsolika eto amintsika. Tsy tokony hatahotra ny vahoaka ary tokony hiatrika amim-pitoniana ny asa aman-draharahany. Efa nisy ny fihaonana teo amin’izy ireo sy ny fanjakana, ka eo am-piandrasana ny datin’ny 15 jolay hivaliany fangatahana izy ireo amin’izao fotoana. Ny aorian’io daty io no mbola tsy fantatra, hoy hatrany izy, fotoana tokony handraisan’izy ireo ilay fanampiana ho an’ny taksibe tsirairay avy. Tetsy an-daniny, nanamafy ity filohan’ny UCTU ity fa tsy ao anatin’ny vinavinan’izy ireo aloha hatreto ny fampiakarana saran-dalana. Mangataka ny hamerenana ny fitantanana ny fivarotan-tsolika eo am-pelatanan’ny fanjakana kosa izy ireo, satria ny fampidinana ny vidin-tsolika ho 2.500 Ar no hitany fa vahaolana.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT