MPITATITRA ANY AMIN'NY RN 1

In-tsivy voasakana vao tonga eto an-drenivohitra, nitokona


  • Alakamisy 18 Septambra 2025

Nitokona nandritra ny ora vitsy omaly Alarobia 17 Septambra

maraina ireo mpitatitra ahitana koperativa miisa 6 mampitohy ny distrikan'Arivonimamo amin'ny renivohitra. Mahatsiaro ho maharary loatra izy ireo raha araka ny tafa nifanaovany tamin'ny mpanao gazety omaly. In-9 voasakana mantsy ny fiara iray mandrapahatonga etsy Anosy isan'andro izay handanian'izy ireo ora iray eo ho eo raha tontaliana. Ankoatra izay dia mbola manampy trotraka ihany koa ny double izay handaniana ora iray miandry eny an-dalana ihany koa raha vantany vao midina ny avy any Anosy sy Anosizato. Very ora marobe isan'andro ny mpitatitra noho izany hoy Atoa Dieudonné izay mpitatitra any amin'iny lalam-pirenena voalohany iny miampy ny olana mety mahazo ny fiara. Mihena ny vola miditra amin'izy ireo vokatr'izany, tara ny mpiasa sy ny mpianatra raha mihareraka ihany koa ny fiara vokatry ny fijanonana matetika. Atambaro ny fisavana hoy ireo mpitatitra any amin'ny RN1 fa tsy hatao mitsitokotoko etsy sy eroa. Nomarihin'izy ireo fa tsy ilay fisavana no tsy tiany mba hanjakan'ny gaboraraka fa ilay fisian'izany isaky ny 4 km raha betsaka koa raha tsy manao ny motard dia manao ny hataony ny Polisy sy ny zandary ....
Pati
Légende : Ireo mpitatitra nitafa tamin'ny mpanao gazety ! Naka aina tahaka izao ireo taxi-brousse miazo an'Arivonimamo !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT