Fifamoivoizana

Mpitatitra amin’ny RN7 Tsy mety hifindra eny Ambohimanambola


  • Talata 24 Aprily 2018

Taorian’ny disadisa nisy teo amin’ireo mpitatitra miazo ny lalam-pirenena voalohany sy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety dia nihetsika ihany koa omaly ireo mpitatitra miazo ny lalam-pirenena fahafito, omaly.

 Tsy manaiky ny hifindra eny Ambohimanambola mantsy ireo koperativa am-polony maro voakasik’izany noho ny foto-drafitrasa mbola tsy  mifanaraka amin’ny tena filàn’izy ireo raha eo ihany koa ny halaviran-toerana.  Raha araka ny fanadihadiana natao dia efa nanaiky ity fifindran-toerana ity ireo filohan’ny koperativa rehetra saingy ireo mpamily sy ny mpanampy azy ary ireo mpanera no tsy manaiky. Nanatanteraka  sakana teny Ambohijanaka ireto farany araka izany omaly maraina  nanakanana ireo namany tsy handeha izay efa feno mpandeha sy entana.  Na izany aza anefa dia tsy naharitra izany taorian’ny fahatongavan’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety eny an-toerana nandrava izany. Nomarihina tompon’andraikitra iray misahana iny lalam-pirenena fahafito iny moa fa ireo olona manana fiara mbola mandoa volana banky sy ireo tsy manaiky fandaminana no tena betsaka amin’ireo tsy manaiky ny hifindrana eny Ambohimanambola ireo. Rehefa tonga eny mantsy hoy izy dia tsy misy intsony ny famenoana amina toerana tsy ara-dalana toy ny etsy Andavaka Ankadimbahoaka, tsy maintsy halamina ihany koa ny tour ho an’ireo fiara mivoaka isan’andro ka izay tena tsy zakan’ny sasany. Raha araka ny fantatra moa dia tsy maintsy  hafindra ato ho ato eny Ambohimanambola ireo mpitatitra miazo ny lalam-pirenena fahafito ireo. Mampanantena ireo tompon’andraikitra fa hiverina amin’ny laoniny ny fitaterana miazo ny lalam-pirenena fahafito manomboka anio talata.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT