Fifamoivoizana

Mpitatitra amin’ny RN2 Hiverina hiasa sahady anio


  • Alakamisy 30 Novambra 2017

Nisy fitokonana nataon’ireo mpitatitra amin’ny lalam-pirenena faharoa na ny RN2 omaly maraina ary nisy ny fanakanana ireo fiara mbola niasa natao teny Ambohimalaza.

  Navela nandeha kosa anefa ireo fiara voaporofo fa efa niainga ny talata. Nanao fanambarana avy eo ny fikambanan’ny mpitatitra omaly ihany tamin’ny 12 ora antoandro ka nilaza fa nisy ny marimaritra iraisana hita tamin’ny fitondram-panjakana. Fisamborana ny tena atidohan’ny mpitora-bato sy ny fanamboarana ny fiahiana ny filamina izay voalaza araka io fifanarahana io fa azo tanterahana avy hatrany; fantatra fa averina ny fanadihadiana momba io tora-bato mateti-pitranga eo Brickaville io mba hahafantarana ny tena marina. Re fa hatomboka amin’ny herinandro ambony kosa ny fanamboarana ny simba amin’ny lalam-pirenena faharoa iny izay tena mampitaraina ireo mpitatitra. Nampitandrina anefa ireto mpitatitra ireto fa hihamafy ny fitakiana sy fitokonana raha toa ka tsy manaja ny fifanarahana ny fanjakana. Nisy ny tsy fitovian-kevitra eo amin’ny samy mpitatitra ary tsinjo ny fisiana ankisisika samy ho lohany eo amin’ireo mpitarika. Tranga izay mety hohararaotin’ny fanjakana mba hanalemena ny fitakiana raha toa ka tsy manana paikady mazava sy mahay mifanara-tsaina ny samy mpitatitra.


 Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT