Fifamoivoizana

Mpitandro filaminana sasany Mbola misy manao fanaparam-pahefana ihany


  • Zoma 03 Aprily 2020

Miary Rasolofoarijaona, mikasika ny zava-nihatra taminy tetsy amin’ny Leader Price Andranomena omaly.

 

 

 

Mpitandro filaminana iray mitondra famantarana misy soratra COVID 19 izy io. Teo amin’ny toerana fandoavam-bola no nitrangan’ny tantara. Natosik’ity mpitandro filaminana ity ny vadiko, hoy izy, ka mba niteny aho hoe mba hajao ilay 1 metatra sady ianareo no tokony ho modely. Tonga dia vava be anefa no setriny. Nangina aho, hoy ity namana mpanao gazety ity. Narahany teny amin'ny fiantsonan’ny fiara no sady mbola nolazainy fa azony atao ny managadra ahy. Nisy naka sary dia norahonany indray ilay naka sary, hoy hatrany ny fitantaran’ity sekretera jeneraly ity. Tezitra aho no niafarany ka niteny hoe mpanao gazety anie ity rahonanao ity. Izay vao nipirina sady lasa nandeha ilay mpitandro filaminana, hoy izy. Nanao antso, noho izany ity sekretera jeneraly ity, ny amin’ny mba hijerena ihany ny fihetsik’ireo mpitandro filaminana. Efa mandalo vanim-potoana mamaivay ny firenena noho ny valan’aretina, ady amin’ny fahavalo tsy hita maso tena mil any fiaraha-mientan’ny rehetra.Mbola izany ihany anefa no fihetsiky ny mpitandro filaminana sasany amin’ny olom-pirenena.Fa tena tsy zakan’ny atidoha mihitsy ve ilay basy an-tanana sy fahefana nampidramina ?

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT