Fifamoivoizana

Mpitaingina moto voahosin’ny kamio Niparitaka ny atidohan’ilay vehivavy


  • Alarobia 18 Desambra 2019

Nipotsaka tanteraka ny lohan’ilay vehivavy voahitsaky ny kamio tetsy Anosipatrana akaikin’ny « lavage » na « arrêt akondro » omaly hariva tokony ho tamin’ny 5ora.

 

 

Andrasana ny tena fanadihadiana fa raha ny fanazavana vonjimaika, dia olona roa lehilahy sy vehivavy izy ireo no niaraka izay nitangina moto. Nosonganan'ny kamio izy ireo no nianjera mafy, ka voahitsak’io fiarabe io ny lohan’ilay vehivavy, ka maty tsy tra-drano, raha ny fanazavana vonjimaika hatrany. Nipotsaka sy niparitaka teo amin’ny arabe ny atidohany. Tsy nanao aroloha rahateo io vehivavy io. Naratra kosa ilay lehilahy, nahitana kiaka ny tanany noho ny fianjerana, saingy tsy nisy nahiana ny ainy. Vory lanona ny olona izay samy nivarahontsana nahita ity zava-doza ity. Ilaina hatrany ny mitandrina sy ny fanajana hatrany ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana satria ny loza tsy mampiomana.

Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT