Fifamoivoizana

Mpisehatra sy mpamiasa lalana « Lainga tsara lahatra ilay 600 miliara noresahan’ny praiminisitra »


  • Alatsinainy 13 Febroary 2023

Niara-nikaon-doha tetsy amin’ny Colbert Antaninarenina ny faran’ny herinandro teo ireo mpisehatra sy mpampiasa lalana eto Madagasikara.

Nahitana ireo mpandraharaha misehatra amin’izany tao, ireo mpitatitra, ireo injeniera sy ny maro hafa. Ny zava-misy sy ny vahaolana ho an’ny lalam-pirenena sy ireo lalana amin’ny tanan-dehibe eto Madagasikara moa no nifotoran’ny resaka. Miara-miaiky ireo mpisehatra, hoy ny minisitry ny asa vaventy teo aloha izay nitarika ny adihevitra, ny depiote Rolland Ratsiraka, fa tsy mbola nisy lalana toy izao teto Madagasikara. Misy ny lalam-pirenena izay iandraiketan’ny minisiteran’ny asa vaventy, hoy izy. Misy ny lalana anaty kaominina izay iandraiketan’ny kaominina ary misy ny lalam-paritany sy lalam-paritra iandraiketan’ny faritra. Efa fantantsika ny olana fa ny vahaolana no tiako ho resahana. Voalohany dia mila averina FER na “Fonds d’entretien routier” ny FR na “Fonds routier”. Mampidi-bola isam-bolana amin’io isika rehetra izao na iza na iza na tsy manana fiara aza. 10 miliara Ariary isam-bolana io vola io. Mahazaka 100 miliara Ariary isan-taona. Tsy tokony hisy lavadavaka izany na iray aza fara faha ratsiny ny RN2, RN4, RN6, RN7. Miresaka ny praiminisitra hoe 600 miliara sisa no vola ao. Lainga tsara lahatra izany. Ekeko fa 2019 nisy 100 miliara. 2020, 2021, 2022 samy nisy 100 miliara fa ilay vola efa tsy ao intsony. Tokony hijoro hanazava amintsika malagasy ny praiminisitra sy ny minisitry ny asa vaventy ary mandoa io vola io. Nataonareo inona ilay vola? Araka ny feo dia hoe nalefan-drizareo any amin’ny JIRAMA. Tsy voavaha mihitsy ny olan’ny JIRAMA satria tsy soniavin’I Andry Rajoelina ny Volobe, ny Sahofika sy izao rehetra izao. Ravaina izany izao ilay vola dia fotsy ho azy ao dia tsy mandeha ilay fikojakojana lalana. Tsy aharitra 8 taona izao ny lalana Ambilobe – Vohemar izay vao vita teo. Tsy ampy ny vola azo avy amin’ny tamberina na “redevance” mikasika ny fikojakojana ny lalana. Mila ampitomboina io nefa mialohan’izay dia mila amboarina aloha ny lalana rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT