Fifamoivoizana

Mpisakan-dalana Miverina indray ny ao Brickaville


  • Alakamisy 06 Aprily 2017

Miverina indray ny mpisakan-dalana ao Brickaville, lalam-pirenena faharoa.

 Fiara vaventy  iray no lasibatr’izany ny faran’ny herinandro teo ka fantatra fa hazo lehibe sy vaventy manana halavana hatrany amin’ny enina metatra no habahan’ireo mpanao ratsy ny làlana. Noheverin’ilay mpamily sy ny  mpanampy azy  fa hazo nianjera izany ka nivoaka izy ireo mba hanala azy kinanjo tora-bato efa nifafy namotika ny pare-brise no nitsena azy ireo. Saika tsy afaka nanemotra ilay fiara nentiny ilay mpamily vokatr’izany ka efa nihemotra  iray metatra nitrangan’ny tora-bato vao niantso vonjeo. Tsy nisy moa ny aina nafoy na ny vola azon’izy ireo saingy ilay fiara no nisy fahasimbany. Raha araka ny fantatra hatrany moa dia vao tamin’ny 09 ora alina no nitrangan’ity fisakafanana fiara ity.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT