Fifamoivoizana

Mpiasan’ny seranam-piaramanidina “Misy tsy mandray afa-tsy 60.000 Ariary isam-bolana”


  • Alakamisy 09 Martsa 2023

Vao avy nanao fitsidihana seranam-piaramanidina maromaro teto an-toerana ny Randrana sendikaly, hoy izy ireo, omaly.

Nisy tany ivelany koa notsidihana tamin’ny faran’ny taona 2022 sy ny voalohandohan’ity taona 2023 ity. Be dia be ny fitarainana tonga eto amin’ny Randrana sendikaly mikasika ny fitantanana mpiasa eny amin’ireny seranam-piaramanidina ireny. Tsy maintsy misintona lakolosy mikasika izany, noho izany, ny Randrana sendikaly. Mihoatry ny 2000 isa izao ireo mpiasa eny. Vitsy amin’ny mpiasa eny no mpiasam-panjakana. Nisy vola an-tapitrisa dolara maro nalaina tao amin’ny CNaPS nampiasaina tao. Tandindonin-doza ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara. Voalohany amin’izany ireo mpiasa. Ny vahoaka mampiasa ireny seranam-piaramanidina ireny koa. Nilaza ny minisitry ny fitaterana teo aloha fa tsy an’ny malagasy irery izany seranam-piaramanidina izany. Mety hisy, noho izany, hoy izy tamin’izay, teratany amina firenena hafa ho ampitantanana ny seranana ao Fort Dauphin. Iraisampirenena io seranana io. Misy fenitra anatin’izany. Tsy toy ilay manara-penitra malaza eto Madagasikara fa manara-penitra tena izy. Ny ACM na “Aviation civile de Madagascar” no mampanaraka izany fenitra izany. Isan’izay fenitra izay ny karama. Mbola misy mpiasa mikarama 120.000 Ariary ny mpiasan’ny seranam-piaramanidina eto Madagasikara. 250.000 Ariary nefa no tokony ho karama farany ambany. Sa ilay manara-penitr’I Madagasikara na ilay manara-penitra gasigasy malaza amin’izao izy io? Any Morondava aza mbola misy zara mandray 60.000 Ariary isam-bolana. Zarazaraina isan-kerinandro aza izany. Eto mbola misy izany hoe alaina amin’ny karaman’ny mpiasa ny vidin’ny fitaovana ilaina hiarovan-tena amin’ny asa. Kilaoty sy kapa no entin’ny mpiasa sasany miasa, hoy hatrany ny sombin’ny tatitra nataon’ny Randrana sendikaly omaly.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT