Mpiasan’ny FCE

Vonoin’ny Fanjakana ankolaka…


  • Talata 20 Mey 2025

An-taonany maro no tsy mivaha ny olan’ny Mpiasan’ny zotran-dalamby FCE

Fianarantsoa Côte-Est) noho ny tsy firaharahian’ny mpitantana isan’ambaratongany sy ny Fanjakana. Voahitsakitsaka tanteraka ny maha olona sy ny zo maha mpiasa. Sanatria vonoina ankolaka satria tena misy ireo namoy ny ainy tsy nisitraka ny zo sy valin-kasasarany. Anisan’ny tena mizaka ny ngidiny mpiasa miisa 45 izay efa hatramin’ny taona 2003 no tsy narotsaka ny latsakemboka teo anivon’ny CNaPS ary efa nangataka ny hamadihana azy ireo ho CRCM ka miandry didim-panjakana, kanefa hatramin’izao tsy misy, hoy ny fampitam-baovao. Mahafantatra tsara an’io ny Minisitry ny fitaterana, ny depioten’i Fianarantsoa, ireo olom-boatendry rehetra amin’ny Faritanin’i Fianarantsoa, kanefa tsy mba misy mijery, raha ny fanamarihana. Efa nisy mihitsy anefa ireo mpiasa namoy ny ainy, nisy ireo mpiasa vitsivitsy tsy nahandry dia nanaiky nanao CNaPS avy eo nanenina satria vao nandray 500 000Ar indray mandeha izy ireo dia tsy nitohy intsony, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Misy ny efa hatramin’ny taona 2011, 2013,… no nandeha nisotro ronono saingy tsy nisitraka ny zony, ary misy aza ny tsy tafody tany amin’ny tanindrazany, namoy ny ainy na ny mpiasa na ny vadiny, fa ny vola fisotroan-dronono tsy azo, hoy hatrany ny fanamafisana. Nisy fotoana efa nivoaka tamin’ny filankevitry ny Minisitra izao fa 1 miliara Ar ny vola andoavana ny latsakemboky ny mpiasan-dalamby FCE sy ny karama 14 volana tsy voaloa ho an’ny mpiasa am-perinasa, ka niandry didim-panjakana izy ireo kanefa hatramin’izao tsy nivoaka. Tsy misy mpiahy kanefa dia mba avy any ihany ny Minisitry ny fitaterana, hoy hatrany ny fitarainana. Efa nisy fotoana nifampiresaka tamin’ny andron’ny Minisitra Tinoka Roberto, saingy narirarira ireo solontena, nomena 400 000Ar izay toa nampanginana azy ireo satria saika higrevy ny mpiasa tamin’ny fandalovan’ny Filoha Rajoelina, ka mody nolazaina hoe horaisina any Antananarivo ny mpitantana. Nijanona ho fampanantenana poakaty ny fampisitrahana ny zon’ireo mpiasan’ny FCE mandrak’ity ny androany ka asa izany ve ilay fampiadanana ny Malagasy raha ny zo voafaritry ny lalàna mazava aza tsy hajaina ? Tsy misy fijerena ny maha olona ! Izany ve tsy efa famonoana olona ankolaka ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT