Fifamoivoizana

Mpiasan’ny ASECNA Niverina niasa saingy…


  • Alarobia 28 Septambra 2022

Efa niverina niasa avokoa nanomboka nanomboka ny talata teo ny mpiasa rehetra eo anivon’ny ASECNA (Agence pour la Sécurité de la Navigation Aérienne en Afrique et à Madagascar) ho an’ny eto Madagasikara,

taorian’ny grevy fanairana nandritra ny telo andro ny 23-24-25 septambra teo. Miato mandritra ny 10 andro ny fitokonana, ary miandry fifampiresahana tahaka ny ASECNA rehetra eto Afrika izy ireo satria ao anatin’ny firenena 17 no iasan’io. Manambana hiverina hanohy ny fitokonana, raha sanatria ka tsy misy ny valiny mahafa-po. Tokony ho ny governemanta sy ny filoha avy hatrany no miditra an-tsehatra mamaha olana, tahaka ny nataon’ny Filoha tany Sénégal. Isan’ny takian’izy ireo mafy ny fanatsarana ny fomba fisitrahan-karama. Tezitra amin’ny fihetsiky ny Tale Jeneraly tamin’ny fanapahan-kevitra momba ireo mpiasa moa ny sendika mivondrona ao anatin’ny USYCAA (Union des syndicats des Contrôleurs de la Circulation Aérienne de l’ASECNA), ary naneho fa mpiasa havan’ny Tale Jeneraly sisa ireo vitsy an’isa miisa 9 amin’ny mpisa 54 niasa tamin’ny grevy. Hivory any Dakar Sénégal ny Minisitra ny fitaterana rehetra ao anatin’ny Firenena misy ny ASECNA ny 17 oktobra izao handinihana ity raharaha ity.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT