Taorian’ny fanesorana ny tale jeneraly teo aloha nandritra ny
filankevitry ny minisitra farany, nanao fanambarana mazava sy hentitra ireo delege sendikaly sy ny mpiasa ao amin’ny ACM (Aviation Civile de Madagascar), mikasika ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. Ao anatin’ny taratasy ofisialy nalefa ho an’ny Minisitra ny fitaterana sy ny famantarana ny toetrandro mpisolo toerana, ary ho an’ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pitantanan’ny ACM, dia nanamafy ireto solontena ireto fa ilaina ny fisafidianana olona manana fahamendrehana sy azo itokisana tanteraka, izay tsy mbola voarohirohy amin’ny raharaha manimba ny fitantanana na ny endriky ny ACM, na eto an-toerana na iraisam-pirenena. Tsy azo ekena intsony, hoy izy ireo, ny fiverenan’ny olana niteraka fahaverezan’ny fitokisan’ny vahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka amin’ny ACM. Anisan’ny raharaha manokana notanisain’izy ireo ny tranga fanondranana volamena 73 kilao izay nahasaringotra tompon’andraikitra ambony teo anivon’ny ACM. Niteraka resabe sy fanadihadiana lalina, ny raharaha mikasika ny fiaramanidina Boeing 777 izay nampiongotra ny Tale Jeneraly farany teo izay nidoboka am-ponja vonjimaika. Ny fitantanana tsy mahomby ny trosa izay nitarika fahataran’ny fandoavana karama nandritra ny telo volana, ny fanafoanana tombontsoa sasantsasany, ary indrindra ny tetikasa fihenam-bidy amin’ny karama hatramin’ny 50% nandritra ny krizin’ny Covid-19. Araka ny fanazavan’izy ireo, ireo tranga ireo dia maneho fomba fitantanana tsy tompon’andraikitra, izay tsy tokony haverina intsony amin’ny tantaran’ny ACM. Noho izany, manentana ny tompon’andraikitra amin’ny fanendrena ny tale jeneraly vaovao izy ireo mba handinika amim-pitandremana sy amim-pahendrena ireo lafin-javatra rehetra ireo, ho fanamafisana ny fitantanana mangarahara, tompon’andraikitra, ary manaja ny zon’ny mpiasa. Misy tompon’andraikitra ambony teo aloha izay efa voasaringotra tamina raharaha maloto goavana moa ahian’ny mpiasa sasany eo anivon’ny ACM fa kasaina haverina hitantana indray io Sampan-draharaha stratejika io. Ny fanambarana dia manamafy fa ny fanavaozana ny fitantanana ao amin’ny ACM dia tsy tokony ho fanovana anarana fotsiny, fa tokony ho fiovana fototra amin’ny fomba fiasa sy ny soatoavina ijoroan’ny rafitra. Tokony ho olona afaka mamerina ny fahatokisan’ny mpiasa sy ny vahoaka amin’ny ACM no hofidina, ary tokony ho vonona hanokatra fifampiresahana mivantana amin’ny mpiasa, hanaja ny zo fototra ara-tsosialy, ary hanamafy ny fahamendrehan’ny ACM amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tena hisy ve izay eo anatrehan’ny fanaovan’ny Fanjakana fitaovana sy baiko midina amin’ny olona ambony apetraka amin’ny toerana stratejika tahaka ireny ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.