Fifamoivoizana

Mpianaka voadonan’ny kamiao Niparitaka ny atidohan’ilay zaza


  • Alatsinainy 08 Jona 2020

Lozam-piarakodia mahatsiravina no nitranga teny Avaradoha, akaikin’ny Institut Pasteur, ny sabotsy teo,

 

 

tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro. Mpianaka hiampita arabe no voahitsaky ny kamiao mpitondra simenitra iray. Maty tsy tra-drano avy hatrany ilay zazalahy kely sahabo ho 5 taona, raha ny nambaran’ireo nanatri-maso, ary niparitaka ny atidohany. Ilay renim-pianakaviana kosa nentina namonjy hopitaly. Vokatry ny hatairan’ireo manodidina moa dia tsy voafehin’ny mpitandro filaminana hatramin’ny fitangoronana ary maro tamin’ireo nanatri-maso no tsy nanao arotava ao anatin’izao fahamehana ara-pahasalamana izao.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT