Fifamoivoizana

Mpandeha tonga eny Ivato Tsy terena hanao fitiliana intsony


  • Alarobia 10 Aogositra 2022

Miova ny fepetra ara-pahasalamana amin’ny fidirana an’I Madagasikara manomboka rahampitso alakamisy 11 aogositra 2022, araka ny fanamafisam-baovao nivoaka omaly momba ny fihaonana teo amin’ny Fitondram-panjakana

sy ny Vondrona Eoropeanina ny alatsinainy teo. Mifarana, ary tsy hisy intsony ny fakana singa hanaovana “tets antigéniques” ireo mpandeha migadona eto Madagasikara manomboka rahampitso. Ny 1 jolay teo, nangataka ny haneken'i Madagasikara ny taratasy manamarina ny fahavitan'ny vakisiny avy any Eoropa ny Vondrona Eoropeanina. Izy ireo izay naneho fa hanome lanja ny taratasy manamarina fa vita vaksiny ny Malagasy iray ka hahazo alalana malalaka amin’ny fandehanany any Eoropa. Tsy voatery hampiseho taratasy manamarina ny fitiliana PCR miiba intsony. Nangataka ny hanaovan’I Madagasikara setriny sy fepetra mitovy amin’ny azy moa ny Vondrona Eoropeanina. Hatreto, na ireo vita vaksiny tanteraka aza, mbola takiana eto Madagasikara ny taratasy manamarina fa tsy mitondra ny tsimokaretina coronavirus na “PCR négatif” izay mampimenomenona ireo mpandeha satria tsy misy fanaovana izany intsony ny ankamaroan’ireo seranam-piaramanidina any ivelany, ka voatery mamonjy ivon-toerana ara-pahasalamana manokana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT