Mpandeha teleferika : 9600 amin’ny tanjona 60 000

Henatra no hampiodinana azy ! Hambotry sy hampidi-kizo... .


  • Talata 26 Aogositra 2025

Anaovana serasera mafy fa nahatratra 9400 be izao

no nitaingina teleferika ny sabotsy teo mba hilazana fa tena ilaina sy mahasarika olona. Dia aiza ho aiza 40000 hatramin'ny 60000 isan'andro nolazain'ny Filohan'ny Repoblika ilay 9600 be izao nefa io izany no heverina fa betsaka indrindra satria mbola malazalaza izy izao no mbola anaty fotoanan'ny fialan-tsasatra? 24% io raha 40000 isan'andro. 16% raha 60000 isan'andro. Mazava ho azy fa tsy tratra ary tsy ho tratra ny tanjona, kanefa trosabe misavovona mahatratra 151 tapitrisa euros na 800 miliara Ar. Mbola resaka hafa ny fandaniana solika hampiodinana azy io. Nambara fa mandany 100 ka hatramin’ny 150 litatra isaky ny ora isaky ny groupe électrogène ny gara lehibe, ka mety hahatratra 1 800 litatra isan’andro. Raha 1 euro ny litatra, dia mitentina 9,2 tapitrisa Ar isan’andro, 54 000 euros na 282 tapitrisa Ar eo isam-bolana ho an’ny solika fotsiny, ary mety hiakatra ho 162 000 euros na 844 tapitrisa isam-bolana raha ampitomboina ho 12 ora isan’andro ny asa. Tetikasa lazaina fa maharitra, nefa miankina amin’ny solika avy any ivelany, zava-misy mifanohitra tanteraka amin’ny filàna angovo madio sy azo havaozina. Taloha nolazaina fa halefa gazoala, avy eo lazaina handeha amin'ny herin'ny masoandro, dia izao indray gazoala,... Tsy matotra! Ny vola atontona amin’ny teleferikbolana dia mitovy amin’ny karaman’ny mpampianatra ambaratonga voalohany 1 200, na sakafo an-tsekoly 1,5 tapitrisa, hoy ny fanoherana tamin’ny alalan’ny Firaisankina.

HENATRA FA TSY MAINTSY HAODINA…
Efa eo io dia afaka mitaingina izay manana 3000Ar satria trosan'ny Firenena iarahana mandoa io. Hatreto kosa tsy dia mampiova na inona na inona ny fisiany, tsy mampihena velively ny fitohanan'ny fiara, fa ny serasera famahanan-dalitra hanamarinan-tena fa tetikasa mahomby no betsaka. Tsy dia tena tetikasa mamaha olana na miteraka fiovana ara-toekarena fa mety ho fialam-boly toy ny "manège" no handraisan'ny olona azy, ka ny sabotsy alahady no mety hisy mpitaingina maro, saingy tsy hahatratra an'ilay 40000 hatramin'ny 60000 velively. Tsy mahaleo ny sarany ny vidiny ka ny fampiodinana an'io aza mety hamoaka volam-panjakana fa tsy hampiditra. Mbola tsy mazava mandrak'androany rahateo ny lalàna sy ny rafitra hitantanana an'io: hotantanan'ny Fanjakana? Hotantanan'ny koperativa? Hotantanan'ny tsy miankina? Inona no tombotsoan'ny kaominina? Toa re ihany mantsy ny fisiana siosio fa sarotra ho an'ny tsy miankina ny handraharaha amin'io raha latsaky ny 10000Ar isan'olona ny sarany. Mamoaka volam-panjakana hatao "subvention" hampiodinana teleferika hialana amin'ny henatra? Rahoviana vao ho afaka amin'ny politikam-panabadoana sy famitaham-bahoaka ka lalana 8km amin'ny 260 no tokanana dia ny serasera no mameno ny 252km ambiny? 9600 amin'ny tanjona 40000-60000 olona no tratra dia dradradradraina mafy hanamarinan-tena?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT