Fifamoivoizana

Mpandeha tavela teny amin’ny fasan’ny karana


  • Zoma 24 Febroary 2023

Omaly avokoa vao afaka namonjy fodiana

Mpandeha maromaro nanomboka ny Talata lasa teo no nihitsoka tetsy amin’ny tobim-piantsonan’ny Fasan’ny Karana ary tsy afaka namonjy fodiana noho ny fandalovan’ilay rivo-doza Freddy teto amintsika. Handeha hamonjy fodiana any Faradofay ny ankamaroan’izy ireo raha araka ny vaovao azo saingy tsy maintsy najanona niaraka tamin’ireo mpandeha hafa rehetra niazo ny lalam-pirenena fahafito ho fiarovana ny ainy. Nomen’ny tompon’andraikitra teo anivon’ny tobim-piantsonana Fasan’ny Karana trano araka izany izy ireo natoriany. Nomena fotsim-bary sy rano nahafahany nidio sy nahandro sakafo ihany koa raha araka ny fanazavan’Atoa Martin Andriamparany, tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity tobim-piantsonana iray ity. Omaly moa izy ireo vao afaka namonjy fodiana avokoa noho ny fisokafan’ny lalam-pirenena fahafito. Tsiahivina moa fa misy amin’izy ireo no mponina any an-toerana mihitsy raha misy koa ireo olona mivezivezy mikarama.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT