MPANDEHA MOTO TSY NANAO AROLOHA

Nifatratra tamin’ny kamio, namoy ny ainy


  • Alatsinainy 19 Mey 2025

Misy hatrany ireo olona maty vokatry ny loza ateraky ny kodiaran-droa eto amintsika.

Tovolahy iray vao 21 taona monja no namoy ny ainy teo noho eo teny Mandrimena Malakialina, Fokontany Mahalavolona, Kaominina Andoharanofotsy ny 17 May lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora sy 15 minitra. Lalana mahitsy, anaty tanàna, arabe misy jiro mirehitra mazava no nitrangan’ny loza hoy ny zandary no sady nalalaka ihany koa ny fifamoivoizana. Ny mpamily ilay moto Yamaha Cygnus 3 no lasibatra, izay fantatra fa tsy nanao aroloha no sady tsy ampy akanjo fiarovana . Kilaoty sy kapa mantsy no nanaovany. Mbola nandeha mafy ihany koa izy hoy ny vaovao. Avy any Iavoloha hizotra ho any Tanjombato kosa no lalany. Nandona ny sisiny havian’ny kamiao Mercedes Benz nijanona teo amin'ny sisin-dàlana izay nisy fahasimbana ilay moto. Itsy fiarabe voalohany rahateo tsy nametraka takelaka telozoro izay famantarana mialoha na ny (panneau de présignalisation). Tsy namelona jiro nanondro habe sy jiro manambara fahasahiranana koa ilay fiarabe na ny (feux de gabarit - feux de détresse). Efa natolotra ny fianakaviany moa ny razana ary fantatra fa alevina anio Alatsinainy raha mbola tazonina ao ambalan-tsazy ilay fiarabe.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fotoana nitrangan’ny loza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT