Fifamoivoizana

Mpandeha mihazo ny RN 4 Nihena 15% hatramin’ny nisian’ny rivo-doza


  • Zoma 03 Febroary 2023

Nihena hatrany amin’ny 15% ireo mpandeha mihazo ny lalam-pirenena fahaefatra, mampitohy an’Antananarivo sy

Mahajanga hatramin’ny nandalovan’ny rivo-doza Cheneso teto amintsika. Noho ny tahotry ny olona ny ranobe eny am-pandehanana sy ny fahatapahan-dalana no mahatonga izany. Tsy nisy afa-tsy 60 ka hatramin’ny 70 isa intsony vokatr’izany ireo fiara miainga etsy amin’ny tobim-piantsonana gara Maki Andohatapenaka isan’andro. Mikasika ny fahatapahan-dalana ao amin’ny PK 378 ao Belobotra, distrikan’i Maevatanana anio zoma 03 febroary maraina dia tsy hisy fiantraikany amin’ny fitaterana miazo iny lalam-pirenena iny izany raha araka ny fantatra hatrany. Ho an’ireo miainga maraina dia tsy hisy mihitsy ny olana hoy hatrany ny tompon’andraikitra satria mbola tsy tonga any Maevatanana ilay fiara dia efa hifarana ilay adin’ny fito, fotoana haharetan’ilay fahatapahan-dalana. Toraka izany koa ireo fiara miainga amin’ny hariva izay hilamina tanteraka hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT