Fifamoivoizana

Mpandeha 146 tamin’ny Air Mauritius Malagasy nody an-tanindrazana ny 65%


  • Alatsinainy 25 Oktobra 2021

Nigadona teto Madagasikara ny sabotsy 23 oktobra teo ny sidin’ny Air Mauritius nitondra olona miisa 146. Sidina voalohany taorian’ny fikatonan’ny sisin-tany nandritra ny 20 volana io.

 Teratany Malagasy, ary mipetraka eto Madagasikara avokoa ny ankamaroan’ny mpandeha izay nahatratra 95, manome tahan’isa 65%, araka ny fampahafantaran’ny Minisiteran’ny fizahantany. Ny 51 tamin’ireo mpandeha dia ireo teratany vahiny mipetraka eto Madagasikara, na vahiny handeha handraraha eto amintsika, na mpizahatany. Ny 27% amin’ireo dia tsy mipetraka eto, 14 tamin’ireo 146 voasoratra niainga tany Maurice ireo no mpizahatany. Mba ahazoana antontan’isa marina sy ara-potoana, dia misy ny famenoana pitsopitsony napetraka eny amin’ny seranam-piaramanidina hilazana ny anton-dia, ny firenena nihaviana, ny endriky ny fiantranoana na koa ny faritra haleha. Mivoaka amin’io avy hatrany ny antontan’isan’ny mpizahatany manokana tonga amin’ny alalan’ny sidina iraisam-pirenena, migadona eto Madagasikara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT