Fifamoivoizana

Mpandanja fiara tsy omena karama Mitohy ny grevy, vola tsy miditra, ny làlana potika


  • Talata 13 Septambra 2022

Tao anatin’ny volana maro no efa nisy nitaky ny karamany ireo mpiasan’ny toeram-pandanjana fiara, saingy toa tsy misy mpihaino, tsy misy mpiraharaha,…

Nolazaina fa tsy mampiditra afatsy 5 tapitrisa Ar isan-taona. Nitohy etsy ankilany ny grevy satria tsy nandray karama. Ny 14 jona, nanambara ireo mpiasa mpandanja fiara, fa amina miliara maro no nampidirin’izy ireo, ary azo porofoina tsara. Nisy ny tenin'ny minisitry ny asa vaventy izay nilaza fa 4 hatramin'ny 5 tapitrisa Ar isan-taona ny vola ampidirin'izy ireo, saingy ny antontan-kevitra mirakitra ny fampidiram-bolan'izy ireo dia ny taona 2021 fotsiny no nahatratra 3,6 miliara Ar mahery na 3 669 596 400 Ar ny vola nampidiriny azo tamin'ny lamandy teny amin’ireo toeram-pandanjana fiara 7 (Ambohimalaza, Toamasina, Ambatolampy, Maevatanana,Ambondromamy, Station Mobile Ikelikampona,…), raha ny fanazavana nentin’ireo mpiasa tamin’izany, manodidina ny 200 hatramin’ny 300 tapitrisa Ar eo ny vola ampidiriny. Mitohy hatrany ny grevy satria efa mananika ny 7 volana eo tsy nahazo karama. Etsy andaniny, ny lalana efa tena miharatsy tanteraka noho satria manararaotra tahaka ny banga mihomehy alina ny kamio, manao taingim-be mavesatra entana na “surcharge” satria tsy misy fanaraha-maso. Arahi-maso aza mbola miteny ho azy ny sora-bola azo avy amin’ny sazy, mainka fa afaka manao izay tiany. Vokatry ny tsy firaharahiana: ny mpiasa tsy mandray karama kanefa ny fandaniana mitombo satria ny mpianatra vao miditra, ny hofan-trano, jiro sy rano,... Ny làlana miha simba sy potika andro aman’alina, ny vola miditra amin’ny Fanjakana mihena noho ny grevy,… Iandrasana inona vao hovahana ny olana? Mbola misy minisiteran’ny fitaterana ve eto fa ny an’habakabaka krizy, ny an-tanety olana lava, ny anaty rano loza lava, ny an-dalamby krizy efa am-bolana maro ihany koa tsy nandray karama? Mipetraka ary manan-kery hatrany ilay fanontanian’ny Filoham-pirenena 4 taona lasa izay hoe: mbola tany misy Fanjakana ve eto ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT