Tofoka ireo taksibe ao amin’ny zotra D mampitohy an’i Vassacos sy Ivato ireo mpandeha eny an-toerana. Mbola mitohy hatrany mantsy ny fanariana mpandeha an-dalana hataon’izy ireo.
Misy indray ireo manao tapa-dalana nefa maka saran-dalana 500 Ar ankoatra ny tsy fanajana ny mpanjifa. Hanatanteraka filaharambe entina hanehoana ny tsy fahafaliany ireo mpanjifa ireo anio sabotsy sady hitaky ny hampidirana koperativa vaovao ihany koa. Hiainga eo amin’ny Horizon ny filaharana handalo eny amin’ny seranam-piaramanidina ka hipaka hatreny amin’ny fiangonana katolika mihitsy. Ny polisy kaominaly eny an-toerana sy ireo zandarimariam-pirenena no hifanome tanana amin’ny fandrindrana izany. Ny antony dia ny hanairana ireo taksibe ao amin’ny zotra D izay nomarihin’ireo mponina eny an-toerana fa tena manao tsinontsinona mpandeha tokoa na dia efa niakatra ho 500 Ar aza ny saran-dalana. Ho an’ny kaominina Ivato manokana dia efa nangataka fihaonana tamin’izy ireo ny Ben’ny tanàna saingy tsy nahazo valiny hatreto. Mikasika ny fampiharana ny sazy ho an’ireo tsy manara-dalàna kosa dia fantatra fa miisa folo hatreto ireo efa tratra.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.