Fifamoivoizana

Mpampianatra FRAM tra-doza 3 maty, 21 naratra mafy


  • Alatsinainy 18 Septambra 2017

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina indray teny amin’ny lalàm-pirenena faha-4 mihazo an’i Mahajanga, 21 km tsy hidirana an’Ankazobe PK 127 ny sabotsy 16 septambra teo.

Olona miisa 3 no namoy ny ainy ary 21 no naratra mafy, ka tao ny tapa-tongotra sy tapa-tanana. Fiara iray marika “sprinter” nitondra ny mpampianatra avy any amin'ny CISCO Mandritsara/DREN Sofia, niala teto Antananarivo tamin'ny 6ora sy sasany maraina izy io. Marihina fa avy nandray ny taratasy fifanarahana arak’asa nozarain’ny fanjakana izy ireo. Teo Manankazo efa akaikin'Ankazobe no nitranga ny loza raha niala lavaka ilay fiara tao anaty fiolanana ka nivadika, araka ny fanomezam-baovao. Napiisahotaka ny famonjena an’ireo naratra. Nisy no notsaboina tao amin’ny hopitalin’Ankazobe ary nisy ny nentina avy hatrany tao amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha. Raha ny vaovao farany azo, 6 no tsy maintsy notazonina ao amin’ny hopitaly ary ny 15 kosa efa nahazo fitsaboana sahaza azy avy azy, ary efa nivoaka ny hopitaly. Marihina fa nidina tao amin'ny hopitaly Ankazobe ny minisitra Paul Rabary, nankahery ireo niharam-boina. Hiantoka ny fandaniana rehetra tamin’ny voina ny fitondram-panjakana Malagasy. Sesilany ihany koa ny fanakianana mahazo ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena amin’ny fiakaran’ireo mpampianatra teto an-drenivohitra. Nilaina ve sa kajikajy politika no betsaka ? Andro iray monja tokoa mantsy no tsy maintsy nandanian’ny maro vola aman-karena avy any amin’ny nisy azy avy, ary nanampy trotraka izao loza mahatsiravina izao. Akoatra izay, nanao tohivakana ny lozam-pifamoivoizana tamin’iny lalàm-pirenena faha-4 iny tato ho ato satria vao volana vitsy izay no nisehoan’ilay loza nahafatesana olona 20 mahery. Eo ny mety tsy fitandremana vokatry ny fandehanana mafy na koa ny tsy fahatomombanana eo amin’ny lafiny teknikan’ny fiara. Eo ny lesoka amin’ny resaka fotodrafitrasa. Misy ihany koa ny fanehoan-kevitra ataon’ny olona sasany amin’ny fisian’ny lolo amin’iny lalana iny. Ny fanafodiny dia ny mitandrina hatrany, satria ny loza tsy mampiompana.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT