Fifamoivoizana

Mpamily taxibe sy ny mpanampy azy Mizaka ny vavan’ny mpandeha isan’andro


  • Alarobia 15 Martsa 2023

Vavan’olona roa, mpandeha taxibe raha kely no tsy maintsy zakain’ ireo mpamily taxibe sy ny mpanampy azy amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany isan’andro.

Raha araka ny resaka nifanaovana tamin-dRanaivo mpamily taxibe iray eto an-drenivohitra dia vao maraina dia efa tsy maintsy omaniny amin’izany ny fony. Tena maharary ilay izy raha araka ny fanazavany saingy tsy maintsy zakaina satria tafiditra ao anatin’ny asa fitadiavana. Anisan’ny santionany notantarainy tamin’ny gazety Tia tanindrazana ny fijanonana amin’ny tobim-piantsonana. Efa saika leo fitohanana ny ankamaroan’ny mpandeha hoy izy koa raha vantany vao mijanona kely ny mpamily dia efa mandeha ny vava. Ho an’iny faritra Itaosy sy Ampitatafika iny izay anisan’ny toerana be fitohanana dia efa zary sakafon’ny mpamily mihitsy raha vao raikitra ny double ny vavan’ny mpandeha hoy hatrany izy. Misy aminay mpamily mantsy hoy izy no mbola mijanona manala olona eo Antanimenakely. Toraka izany koa ny eny amin’ny Coca nefa tsy mihoatra ny 10 minitra ny double koa raha vantany vao tara izay dia efa tavela ao anaty fitohanana indray. Ankoatra izay hoy hatrany Ranaivo dia anisan’ny vavan’ny mpandeha tsy maintsy zakaina ihany koa ny fahaelan’ny famerenana famerim-bola hataon’ny resevera. Misy manompa mihitsy ny sasany hoy hatrany izy fa tsy maintsy zakaina.
Pati
Legende : Mafy ny mahazo ireo mpamily taxibe sy ny mpanampy azy amin’ny ankapobeny
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT