Fifamoivoizana

Mpamily taskibe nampianjera mpandeha Migadra 5 volana sy mandoa onitra 5 tapitrisa ariary


  • Talata 05 Martsa 2019

Mihidy an-tranomaizina 5 volana, sazy mihatra ary mandoa onitra 5 tapitrisa ariary ny mpamily ilay taksibe nampianjera mpandeha iray tetsy Ambohijatovo volana vitsy lasa izay.

 

 

 Omaly no nivoaka tetsy amin’ny lapan’ny fitsarana Anosy ny didim-pitsarana mikasika izany. Notsiahivin’i Solofo Ranaivo, izay mpanao gazety niharan-doza sy sahy nametraka ny fitoriana, ny zava-niseho, fa mbola tsy tafiakatra tsara tao anaty fiara akory ny tenany dia efa nalefan’ny mpamily ny fiara ka nampisolifatra ny tenany tamin’io fotoana io ary nitsoaka moa ity fiara ity fa tsy niraharaha azy. Tsy mitombona, hoy izy, ny filazan’ny mpamily fa niandry ahy tany an-dohan’Analakely izy ireo. Voasazy an-tranomaizina 4 volana ihany koa ny mpanampy ny mpamily ary mandoa onitra 2 tapitrisa ariary. Satria moa misy andraikitry ny tranom-piantohana ihany koa ity raharaha ity dia voasazy handoha onitra 5 tapitrisa ariary ny tranom-piatohana izay voakasik’izany, raha ny fanazavana hatrany.

J. Mirija

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT