Fifamoivoizana

Mpamily taksibe mody aloha loatra Mety hiafara amin’ny fisintonana “Permis”


  • Alarobia 17 Jolay 2019

Azon’ny mpanjifa hatao tsara ny mitaraina eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra mikasika ireo taksibe mody aloha loatra sady tsy mandray olona eny amin’ny tobim-piantsonana fa mandalo fotsiny. Araka ny fanazavan-dRaveloson Landy,

 

 

 

 tale misahana ny fitaterana eo anivon’ny kaominina dia tokony  hahazo fampitandremana ireny mpamily ireny izay mety hiafara amin’ny fisintonana ny taratasy fahazoany alalana hamily fiara mihitsy. Fepetra takian’ny kaominina kosa ny tokony hananan’ilay mpanjifa  ny laharan’ilay fiarakodia sy ny koperativa misy azy ary ny zotra hiasany. Hatreto, mahatratra 20 ireo fitarainana efa voarain’ny kaominina Antananarivo renivohita mikasika izay tsy fanarahan-dalana hataon’ireo fiara fitaterana olona ka ireo mandalo eny amin’ny faritr’i 67 ha sy ny manodidina no tena voakasika. Tsiahivina fa hatramin’ny 09 ora alina no fe-potoana farany hiasany eto an-drenivohitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT