Fifamoivoizana

Mpamily taksibe Maro ireo mafy loha rehefa alain’ny polisy ny taratasin’ny fiara


  • Zoma 09 Aogositra 2019

Tsy i Maneva sy i Jacky mpamily taksibe 135 sy zotra 105 ihany no namaly ireo mpitandro ny filaminana, rehefa lasan’ireto farany ny taratasin’ny fiara entiny,

 

 hoy ny nambarany, fa maro ireo mpamily no tratran’izany, toy ny mpamily taksibe zotra 141, 162, 178, 154 ary ny 114. Eo no tsy maintsy hanaovana ny di-doha na mafy loha, satria, raha tsy manana fahadisoana aza ianao eo am-pitondrana ny fiara, dia mahita kianina sy lazaina amin’ny mpamily hatrany ireo mpitandro ny filaminana manao fisavana. Rehefa tsy manome taratasin’ny fiara indray  dia valiana tsotra izao, nefa rehefa tsy manome, dia afaka herinandro, dia iharan’ny sazin’io polisy io indray, hoy ny fanazavany.  Nambarany, fa raha fahadisoan’ny fiara kosa, ka ampidirina foriera ny fiara, dia ny tompony sy ny kaoperativa Fifiama ary ny mpitandro ny filaminana indray no mifanaraka amin’izany, fa tsy misy idiran’ny mpamily sy ny resevera intsony  ny momba izany. Maro ny hadisoana mety ho azon’ny mpamily, ka anisan’izany ny maka sy mampidina olona amin’ny tsy “arret”, mitondra olona mitsangana. Rehefa lasan’ny mpitandro ny filaminana ny taratasin’ny fiara, dia anjaran’ny mpamily sy ny resevera no mifanaraka amin’izay, na miala amin’ny “versement”, hoy ireto mpitatitra. Raha lany daty kosa ny taratasin’ny fiara, dia ny tompon’ny fiara no maka izany any amin’ny polisy, hoy ity mpamily 135 ity. Ilaina ny fanajana ny lalàna, nefa tokony hanaja izany koa ireo mpamily rehetra manao fitaterana. Ilaina  ny mitady vola, fa tsy dia manao vodihazo amin’ny “arret” iray, fa mahatonga  ny fampiharana  ny lalàna izany ary amin’izay mba manaja ny mpandeha hafa koa, hoy izy.

 

Sitraka r. 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT