Fifamoivoizana

Mpamily sy resevera tsy nanara-dalàna Nifona ampahibemaso fa tsy hanary mpandeha an-dalana intsony


  • Zoma 29 Aprily 2022

Taxibe iray ao amin’ny zotra 172 mampitohy an’ny 67 ha sy Andoharanofotsy indray no tratran'ny zandarimariam-pirenena ao Andoharanofotsy sy ny kaoperativa afak’omaly alarobia 27 aprily

 rehefa nitaraina tao amin'ny tambazotra ny mpandeha iray tao anatiny. Tsy nanaja mpandeha, nanao toetrana jiolahim-boto ny "receveur", namadika " plaque ", ary niodina teny Namontana raha toa ka mbola tokony hizotra ho any Anosy. Marobe anefa ireo mpandeha no nilahatra tamin'io zotra misy ny taxibe 172 io.Mpandeha iray no niantso ny zandarimaria Andoharanofotsy rehefa nahita ny tsy fanarahan-dalàna ankoatra ilay tambajotra. Avy hatrany dia nandray ny andraikiny niaraka tamin'ny kaoperativa ireto farany nandritra izany. Tsy mahazo miasa mandritra ny 10 andro ilay fiara. Nalain'ny fivondronana ny fahazoan-dàlana hamily fiara an’ilay mpamily ary nasaina nifona izy roalahy. Nampanoratana soratra manao hoe : "Tsy hanary mpandeha an-dàlana intsony izahay manomboka izao ary mifona" Mbola ho mafimafy kokoa ny sazy ho azy ireo raha tratra fanindroany hoy ny zandarimaria sy ny kaoperativa.

Nangonin’i Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT