Mpamily nandratra olona

Antsoina hitolo-batana


  • Talata 23 Aprily 2024

Naratra mafy ny lohan'ny olona nitondra moto izay nodominao ry mpamily,

hoy ny antso nataon’ny fiadidiana ny zandarimaria na CIRGN Antananarivo omaly, nanao antso ho an’ilay mpamily nandona olona teo amin'ny sampanana Ambohimanga Rova ny 21 aprily 2024 teo. Nomarihina moa fa tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no nitrangan’ny loza. Voalaza fa tsy nijanona ary nitsoaka io fiara io. Zotra D misy tsipika mena mampitohy an’Ivato sy Vassacos. Fantatra ny laharan’ny fiara. Naratra mafy nentina hopitaly teny Anosy avaratra ary nentina haingana tao amin’ny hery vonjitaitran’ny CHU-JRA Ampefiloha indray. Omaly 22 aprily dia tsy maintsy nentina ao Befelatanana satria misy vaky ny taolan-tava. Antsoina ianao hitolo-batana sy handray andraikitra dieny mbola tsy sarotra ny raharaha, hoy hatrany ny zandarimaria niantso ity mpamily nitsaoka ity.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT