Fifamoivoizana

Mpamily nahafaty olona 3 Afa-maina tsy nisy tohiny …


  • Sabotsy 09 Septambra 2017

Sazy mihantona 3 volana no azon'ilay mpamilin’ilay fiara nahafaty olona 3 teny Ivandry ny 21 mey 2017 teo, izany hoe efa tapitra.

 

 Nanatsoaka ny fitoriany ny fianakavian'ireo namoy ny ainy raha ny fanazavan'ny mpitsara tamin’izany fotoana. Tsy sarotiny nialoha ny tompony ny mpitsara satria na ny fianakavian’ny niharam-boina aza nisafidy ny tsy hanasarotra ny raharaha. Niharan’ny fandrahonana sa nosandaina vola ? Tsy hay ny zava-nisy tany ambadika tany. Voalaza fa nandray zava-pisotro misy alikaola io mpamily namoa-doza io. Nandeha ny resaka taty aoriana fa hohetsehin’ny Mpitsara ny dosie satria tsy ara-drariny loatra raha 3 volana sazy mihantona no azony. Tsy nisy tohiny anefa fa lefin’ny ora sy ny fotoana, ary efa naman’ny afa-maina ny olona nandatsaka ain’olombelona miisa 3 be izao. Misy ve ny lalàna mamaritra fa na mahafaty olona, indrindra vokatry ny hadisoany tanteraka ny mpamily iray, ka tsy mitory ny mana-manjo, dia vitavita ho azy ? Ekena fa tsy hampiverina ny ain’ny maty ny fanagadrana na tsia ny olona nahavanon-doza, saingy tsikaritra ho fanaovana tsinontsinona ny maty. Vitavita ho azy izany izao ny resaka mamono olona eto amintsika, raha dinihina tamin’ity toe-javatra ity, izay tena leson-dratsy. Ny olona nahafaty olona 3 afaka miaina miadam-pinaritra any amin’izay misy azy, fa ny olona voalaza fa nanala baraka tao anaty “facebook” kosa efa sahirana vao nivoaka ny fonja.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT