MPAMILY FIARAKODIA TRATRA HARIVA

Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny Laser lalaovin’ny ankizy


  • Alakamisy 20 Jona 2024

Efa mafotaka ny filalaovana laser maitso amin’izao eny anivon’ny fiaraha-monina eny.

Hifampitifiran’ny ankizy toy ny basy kilalao mihitsy izany raha vantany vao maizina ny andro ka lasibatra hatramin’ireo olona any an-trano, indrindra raha varavaram-pitaratra tsy misy varavarankazo no hiainana. Tsy vitsy ireo velon-taraina noho izany. Ho an’ireo mpamily fiarakodia tratra hariva dia maro amin’izy ireny no mipenimpenina rehefa sendra ireo ankizy mitifitra tsy amim-piheverana amin’ireny laser ireny. Eny Anosizato sy ny manodidina eny no tena ahitana izany raha toraka izany koa ny eny Analakely. Tsiahivina moa fa loza mitatao ho an’ny mpamily fiarakodia ny fitarafana ny mason’izy ireny amin’ny laser. Mety hiteraka lozam-pifamoivoizana mahatsiravina mantsy izany raha sanatria ka jambenan’izany masony. Toraka izany koa ireo ankizy milalao azy. Mety ho doran’ilay laser mihitsy ny ati-mason’ilay ankizy, tranga izay miteraka fahajambana avy hatrany.
Pati
Legende : Tsy mifidy tifirina ireo ankizy rehefa milalao laser maitso tahaka itony !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT