Fifamoivoizana

Mpamily fiara misotrosotro Tsy mahazo mihoatra ny 0,4 degré ny tahan’alikaola


  • Alarobia 14 Septambra 2022

Miisa 10 ireo mpamily voatery nosavain’ny mpitandro ny filaminana ny tahan’alikaoka tao anatiny ny faran’ny herinandro teo teny amin’ireo toerana somary mahamay.

Anisan’izany ny teny Ankorondrano izay tena maro mpanao faran’ny herinandro mahafinaritra tokoa na zoma manifika, ny teny Alasora By pass, ary ny teny Ampasika sy Iavoloha. Ny 2 tamin’ireo mpamily ireo ihany no fantatra fa tsy nisy fofona alikaola raha saika nandrenesana izany avokoa ny 8 ambiny ary saika nihoatra ny 0,4 degre avokoa ny tahan’alikaola tao anatin’ny vatany. Nambaran’ireo tompon’andraikitra fa rehefa ity farany no mitranga dia mijanona avy hatrany ilay fiara ary tsy mahazo mitondra ilay fiara intsony ilay mpamily. Na izany aza dia nambaran’izy ireo fa mbola fanentanana ihany aloha no hatao amin’izao fa afaka herinandro maromaro dia hiditra amin’ny fanasaziana avy hatrany izy ireo.
Pati
Legende : Ahiana hamono ny tenany sy ny mpiara-belona aminy ireo mpamily mamo eny am-pitondrana fiara
(Sary fanehoana)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT