Moto tra-doza tetsy Antanimena

Vaky loha, maty tsy tra-drano ilay mpanamory


  • Alatsinainy 03 Febroary 2025

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina nahafatesana olona mpandeha kodiaran-droa indray teto

Antananarivo Renivohitra omaly takariva. Lehilahy iray nandeha moto avy amin’ny làlana avy any Ankorondrano no tra-doza teo Antanimena. Voalaza fa nidona mafy tamin’ny andrin-jiro ka naratra mafy, vaky ny lohany, ary maty teo noho eo teny. Moto marika Yamaha Cynus Phase I miloko mainty no nentiny no izao tra-doza izao, ka teo anatrehan’ny filazana sy tombatombana fa mamo izy, dia nisy ny nanao fandisoana tamin’ny tambajotran-tserasera nilaza ho nahafantatra azy fa tsy marina ny hoe mamo satria voalaza fa « commercial » an’ny orinasa Solarland avy nanao « intervention » izy no voalaza fa izao tra-doza sy namoy ny ainy izao. Nanao "gilet" misy ny anaran’io orinasa voatonona io rahateo mo aizy. Sesilany ny loza mahatsiravina mahazo ireo moto satria ny faran’ny herinandro teo sy ny fiandohan’ny herinandro tahaka izao no nisian’ireo tanora vao erotrerony miisa 3 namoy ny ainy, dia ilay tetsy Andraharo sy tetsy amin’ny Marais Masay, dia izao misy tranga mahatsiravina izao indray, ankoatra ny hafa mety tsy fantatra. Tena ilàna fiheverana sy fitandremana lalina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT