MOTO TAFASITRIKA TAO AMBANY KAMIAO

Zaza iray no namoy ny ainy tao Antsirabe


  • Alakamisy 11 Aprily 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina omaly Alarobia 10 Aprily tokony

ho tamin’ny 01 ora sy sasany folakandro tao amin’ny Fokontany Andrefan’ny Star , lalam-pirenena faha-34. Moto iray voalaza fa nitondra zaza roa no tafasitrika tany ambany kamiao iray lehibe ka namoy ny ainy ny zaza iray. Vao 03 taona monja ity farany raha 06 taona kosa ny iray. Ho an’ity farany sy ilay lehilahy nitondra ilay moto dia fantatra fa mbola afaka nentina notsaboina any amin’ny hopitaly izy ireo ary efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy. Ilay zaza iray kosa tsy azo nialana nenina intsony fa maty teo noho eo. Raha araka ny fantatra moa dia vokatry ny tsy fitandremana no nahatonga ny loza. Efa notazonin’ny mpitandro ny filaminana hatao fanadihadiana moa ilay mpamily raha efa nalefa any amin’ny tranom-paty kosa ny razana.
Pati
Legende : Ity ilay kamiaobe namoa-doza !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT